Menu:

Recent Entries

Categories

SOMBIN-TANTARA [1]
TONONKALO [2]
Ankapobeny [0]

Links

Syndicate

RSS 0.90
RSS 1.0
RSS 2.0
Atom 0.3

Version:

andreas01 v1.3

ALA NENINA

rivaando | 10 Martsa, 2013 17:44

Ikimpiako e,

leferiko ihany ity hadisoany

aloha fanindroany

satria izy tiako,

nefa aoka ho tsaroany

fa fantsika rezatra be tsy mivavaka

no efa natsatony am-poko malia

nilentika lalina loatra ny lavaka:

saro-tsaboina ny ferim-pitia!

Ento any aminy

ataovy tafita izao hafatra izao:

hono hoe ny tomaniny

mbola tsy ritra fa miandry mpamafa

ka aza variana fa 'ndrao olon-kafa

no ho samaritana handalo mialoha

hikarakara sy hitsabo ny ratra...

Nefa,

raha ho avy hono hoe

aza mivimbina fialan-tsiny

aza miezaka hanamarin-tena

tsy misy tsy fantany raha ny amin'iny:

raha hikiribiby dia 'ndeha miverena.

Raha, hono, ho avy,

aza mikaroka izay laha-teny

hanangolena ny fo sy ny sainy

endrika ivelany fotsiny ireny

ny fonao mibaboka no tena ilainy.

Ary hafatra farany,
aza lalaovina hoe ny hasambarany
aza potehina hoe ny tantarany...
fa raha tsy ho anjarany
aza tononina akory ny anarany!

Riva
26/09/12 Ambaitra

 

Posted in TONONKALO . Hametraka hevitra: (0). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

MIKALOA FITIAVANA

rivaando | 09 Martsa, 2013 22:27

Nisokatra ny lanitra

ary injay niteny tamiko

ny Fanahin'Andriamanitra:

Anaka, mba mamiko

raha samy kalokalo

ny antsan-tononkalo,

indrindra moa ka hoe

miantsa Ahy -ilay "FITIAVANA"-

izay rehetra mandre

ho heni-pahasoavana!

 

Koa aza mbola atsahatra

ny kalokalonao

f'Izaho handresy lahatra

an'izao tontolo izao

hitia tsikelikely sy hianoka am-panahy...

indrindra rehefa kalo miresaka momba ahy!

 

Raha toa ka tianao aza

ikaloy FITIAVANA izay andronao sisa

f'Izaho no efa milaza

manambara etoana fa hatrany am-paradisa

'ireo anjely tsy hita isa

manao toy izany koa saika isan'ora...

F'ianao moa eto an-tany,

raha toa tsy misy mihaino dia kaloy tsimoramora

f'Izaho handre ny akony any an-danitra any...

 

Anaka,

aza mety lanaka...

'reo namanao herezo, miaraha mampiara-peo

'zao no aoka ho filamatra ao am-ponareo:

mizara tononkalo mizara fahasoavana!

 

...Dia mikaloa FITIAVANA!

 

Riva

20/12/12 Ambaitra

Posted in TONONKALO . Hametraka hevitra: (1). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra