MALALA
rivaando | 10 Martsa, 2013 17:56Izao no resaka nifanaovan'izy roa farany tao anaty "fetsy boky":
-Tiako be ny toetranao, tsotra sady tsy miavona ♥
*Misaotra, ianao koa tsotra be (Y)
-Rahoviana ho'aho no mba asianao sary amin'izay ho hitako?
*Mahandrasa kely e, sao ho diso fanantenana eo rehefa mahita ny haratsiko :P
-Tsy midika inona ny hatsaran-tarehy amiko, efa babonao aho... Ny Fanahy no olona!
*'Zany?
-Maninona raha 'ndeha hifanao fotoana isika e? Tena efa tsy andriko intsony ny hahitana anao :(
*Ianao koa maika a...hihi
-Andray kosa, tena tsy fantatrao mihitsy ny fijaliako :'(
Dia tapaka tampoka ny fifandraisana... Saingy ny fo maniry ho tiana tsy tery lalana, fantatrao tsara! Ity hafatra farany tavela tao anaty finday ity no manamarina fa mbola nisy resaka lava be nahaliana sy nampangitakitaka tokoa omaly alina:
-Mmh, ohatra ny efa reko sahady ny hasambarako hamihina anao eto an-tratrako, rahampitso izany an, tsara mandry ary dia tandremo sao tsy tonga e, manoroka mamy :*
Dia tonga ny ampitso ary indro fa nanakaiky ilay ora nifanomezana. Tsy hay tantaraina intsony ny fibosesiky ny visavisa mifamahofaho ao an'eritreritra mangina manentana ny doboky ny fo tsy hita ho fehezina sy mila hamaky tratra. Ilay finday no anariana dia sy maty voapotsipotsitra amin-tsy antony fa avo dia avo ny fatran'ny fitaintainana... Hanao ahoana re?!
Amin'ny 5 ora hariva katroka, ora maha be ny mpijorojoro eto amin'ny tetezan'Ankadifotsy fa ora efa mampihisatrisatra ny fifamoivozana koa… Tara kely sa tsy ho avy?
Izao no hafatra nalefany:
-Eto akaikin'ilay madama bota be mpivarotra fahana io mihitsy aho no miandry :P
Fa tsy tafaverina tao am-paosiny akory ilay finday saika ho ampiriminy dia iny ilay nandrasany nidina ny Taxi-be, tokony ho in-dimy mandingana monja teo amin'ilay nijoroany. Tsy nahahetsika izy fa ny masony no nafantony teny aminy, nanjary tsembotsemboka sy nangovingovitra tampoka teo:
-Malala? ... Ianao?! ...
*Oay, Malala? ... Ianao?!
Tsy nisy niteny intsony... Iray... roa... dimy segondra... eni... izay vao nifampiatoraka sy nifamihina maharitra izy roa kely:
-Malala a, tsy navelan'ny fiainana tsy hihaona isika...tsy navelan'ny fitia tsy hifankahita... tsy handao anao intsony aho, MANDRAKIZAY! Tsy nampoiziko ho ianao...
*Malala a, efa voasoratra ho iray ny lalantsika! Hitako ihany ianao... Malala, sakaiza fahazazako... Tiako be ianao!
Riva,
13/01/13 Ambaitra
Posted in
SOMBIN-TANTARA .
Hametraka hevitra: (6).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
Previous post»