ALA NENINA
rivaando | 10 Martsa, 2013 17:44Ikimpiako e,
leferiko ihany ity hadisoany
aloha fanindroany
satria izy tiako,
nefa aoka ho tsaroany
fa fantsika rezatra be tsy mivavaka
no efa natsatony am-poko malia
nilentika lalina loatra ny lavaka:
saro-tsaboina ny ferim-pitia!
Ento any aminy
ataovy tafita izao hafatra izao:
hono hoe ny tomaniny
mbola tsy ritra fa miandry mpamafa
ka aza variana fa 'ndrao olon-kafa
no ho samaritana handalo mialoha
hikarakara sy hitsabo ny ratra...
Nefa,
raha ho avy hono hoe
aza mivimbina fialan-tsiny
aza miezaka hanamarin-tena
tsy misy tsy fantany raha ny amin'iny:
raha hikiribiby dia 'ndeha miverena.
Raha, hono, ho avy,
aza mikaroka izay laha-teny
hanangolena ny fo sy ny sainy
endrika ivelany fotsiny ireny
ny fonao mibaboka no tena ilainy.
Ary hafatra farany,
aza lalaovina hoe ny hasambarany
aza potehina hoe ny tantarany...
fa raha tsy ho anjarany
aza tononina akory ny anarany!
Riva
26/09/12 Ambaitra
Posted in
TONONKALO .
Hametraka hevitra: (0).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
«Next post |
Previous post»